Vetsom-beloma - ds
Lasana ianao
Nandao an'Ankaratra
Matory izao
ka sambatra
Ny fiadananao
No iriko hitambatra
Omeo azy ry Ray
Ny famindram-ponao
Reo maizina hatrizay
Mba samy hazavao
Na kotsan-drano
Reo maso manganohano
Zava-tsarotra isan-toko
Mionona re ry foko
Ny Tompo inoiko
Ka izy no antsoiko
Fa Ray mangora-po
Izay tra-manjo
Sokajy :
Fahafatesana
Hevitra mandeha
hery (14/10/2004 17:45:52)
Mirary fihononana ds dia mankasitraka hatrany
ds (14/10/2004 23:57:09)
mangidy (02/06/2009 22:22:08)
Torotoro zany foko
Torovandrovan'ny toloko
F'efa sitraky ny Ray
Izato anjara atolony ahy