Ady ao anaty (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny tanjom-pitoniam-po
mionona amim-boninkazo varimbariana
Iza no nitondra oroka teto
Fiaran'ny fo mitati-pitoniana
Sa kalesina molotra natosi-po very safidy
Ry foko,voninkazon'iza?
Toa miteny ami-maso
Fa fikasana farany amim-pitoniana
Kanefa hoy ny bitsibitsi-panahy amino
Oha-kintana kely saro-tadiavina
ao an-doharanom-pitiavana izy
Fa velona ihany
eo an-tanim-pitsiriritan'ny nofo
Indrisy ny fitiavany.

Isika ,he
Voninkazo ambony taho inona
Ianao nenjehim-paniriana
Avy aiza sy mankaiza?
Ianao,
Rediredin'avandra iray
Tadidiny fa hay mbola nisy hafanana
Tao ivelan'ny rindrin-dranomandry
Izay natao ho fara-lalany

Edmond rand
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
707 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141