Aiza ho aiza (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fizarana 3 avy ao amin'ny AFO

Aiza ho aiza amin'ity lakan-trondro sampona
Hatsingevan'ny ranomasin-tsy mifarana?
Mpisidin-tsy hitan'iza na aiza
ny firehetany amin-kafo tsy matin-drano inona
Planetam-boro-kamboty an-dakira aiza
no misy ela-mavesatra nofy
Mpahay fahagagana tsy mahavonjy tena?
Totoin'omby mena maso amin-tongotr'avelony

Ary ilay eny anivon-drano,
Dia toy ny vony maitso avy any
amin'ny tany fonenan-jana-javatra rehetra
no manjary miova endrika aman-doko
Toa ravi-maitso maka volon-tany
Ao am-pelatanan'ny taho be fitiavana

Ara tantara,
Nizaza teo amin'io rano,
manjary filomanosan-kazandrano foin-java
nantenainy izy
Ary nizaha nila toky
Toy ny anak'olondia voloina very afo
nametra-tongotra tamin'ny alam-biby dia
Kinanjo nohalehibiazin-drajako
tamin'akondro mangidy
Sy sikina vita tamim-bolom-panday
O! lao monina noho ny fitiavam-biby
Sy tambitambin-dragidro tsy mihira
afa-tsy amina naoty tokana fiandohan-kira
Ka hoy ny vintana aminy:'Miverena amim-pon'ny
tanin'ise'

Indrisy! ! hoy ny mpilomano manetsetra sisa
Raha mahira azy mivaloharika mikentron,-dava
Toy rantsan'antitra manafosafo ny tenany
Indrisy,mba iza loatra no anton'izao
fahajamban'ny masony misokatra
na te hahita eto aminao ry taniko?
Tsy misy mahalala azy intsony
na ny fon-drano,na fitadidian-jazavavin-drano
na fitiavan-kazandrano
na ny fangorahan'ny tany

Edmond rand
--------
Rohy:
1221 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014