You are here: home > Vetso

Ianao no voninkazo - edmond randrianandrasana

ianao no voninkazo
Vakana maitson'ny tany
Nihafian'ny sodina teo imolotry ny vatolampy mialom-potaka
Ary raha tsy ianao.Ho inona Ity saha maitso?
Angamba tsy hanan-taolana mbamin'ny bozaka aman-kahitra
Na ra na dia ny nofon-taniko aza
Ka isaorako ilay singam-boa kely
Nahay naminany sahady ny halalin'ilay fahorianao ry singan-tantely saiky tsinontsinona

Ary ny volana,tsy mba nanam-bintana sa tsy misy fony?
Fa tsy mba manoroka na ny fakany aza
O!Ianao no voninkazo,fasana..
Mibodo ny zava-nofisiny
Angamba ianao no kisarisary mamemo ny bokiny?
Toa henoko izao bitsibitsiny
Ianao,hono,no manafina ny fitoniany

Ianao no voninkazo
Mody tsy miteny sa mbola matory?
Fa tsongoiko toa mivoa-dra
Rantsaniko,marary ve?
O! Ny hohoko ihany no mangirifiry
Ka hoy aho hoe:MIADANA
Fa mamiratra indrindra ao amin'ny fahatanorany

Edmond randrianandrasana

Hametraka hevitra

Midira aloha