Maty ilay mpamoron-kira (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Boky an'arivony no nadikany
fa tsy mba nisy tononkira nitomany azy
na fon-kira nangoraka ny fony
nandrotsa-dranomaso
niala-aina teo anatrehan'ny fanantenam-bokiny
Toy ny vitsika nitomany mamy
tany am-pon'ny sigam-bovoka

Indrisy,any ankoatry ny rivo-mainty matevina
Lanitra fievoran'ny rivo-peo maherin'ny onja
Sy fiaingan'ny nofim-peon'ny hirany
manavesatra ny molotry ny tany
ny voninkazo,ny kintana,ny ranomasina,ny tendrombohitra
Any,any ankoatry ny fahanginan'ny volana
any an-tampon'iry hantsana mampahory
ny tamingam-pony maintin'ny aloka nafoiny
mitomany eo am-pofoan-kintana matory
Any,
no misy ny lelany hazonim-pon'ny tany

Indro maty ilay mpamoron-kira
Izay tsy mba nivelona afa-tsy tamin'ny fanjonom-piononana

Edmond rand
--------
Rohy:
940 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014