Samy avy any an-kimbon-dreny malemy nofim-po (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fizarana faha 2 avy ao amin'ny AFO

Samy avy any an-kimbon-dreny
malemy nofim-po sy votsa-fitadidiana
Ianao sy izy
Ianao manana endri-mamirapiratra kokoa
noho ny fahavotsan'ny fony mahantra
Izay tsy mba mahalala afa-tsy
ny isan'ny poezian-dry mpanonofy fitoniana
any am-boky,
Ianao, nofy
Raha ho ny vorom-pampiainga ny reviny
Any anaty lanitra vy
Milomano amim-parihy Afo
Ianao,na mana-nofo aza
Fotsy lamba ao amin'ny fahafatesan-dravin'ny
mpiray lova aminy

Ianao,
Toy ny vatokely nivaky tamin'ny namany
na aiza na aiza hipitihany
Tsy nikisaka ny fitoeram-bolana
Izy,
Tsy mba manao afa-tsy ny
mankahery tena toy ny antitra
Miray hira amim-boninkazo maty fo
Hoy ny tononkirany':
Aiza ilay voa maitso nikodia
Teny an- tendrombohitra avo indrindra
Mitsotsorika amim-bato
nanavotra ny hatanorany
Teo ampitan'ity vatolampy fisaka tsy manam-piafarana?
O!ry voninkazo mamiratra indrindra ao amin'ny fahatanorany

Edmond rand
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
994 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216