Tanin'ny nofy (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiainana inona,kintana inona
Eto amin'ny fahatanterahan'ny masoandro?
Misy vorom-bery tsy fantatra miainga
Any amin'ny fiafaran-kantsan'ny fanahy
Hanaka-tendro tsy mifarana
Hamanta-po Maty fitiavana
Divay inona,
no ilomanosan'ny fanahy
Fofonin'ny fo
Ao amin'ny hantsa-tsy fantatra aiza?
Fa toy ny mpihaza very fitokiana
mitily voron-tsy hary
ao amin'ny fisian'ny rivotra izy
Fa tanteraka an'alan'ireo inona sy aiza?
Tsy takatr'ela nofy inona
O! hazo kamboty miantso sakaiza
nilaozam-boron'ny tany
Teto amin'ity fanjakana ity:
"NY MPITARIKIRAN'NY MPIHIRAN'IREO NOHADINOANA'

Edmond rand
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
881 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099