Valiha (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zava-maneno
niriam-pon'ny razako
Tao amin'ny volan'ny fony nafoy
Tamin'ny taom-pitadidiana

Zava-maneno,
natao tamim-pon'iza?
nidiana tamim-poko
Sy ny anao mihaino azy
maty hazo nipoirana
nilevenan'ny zava nokasainao
miara-bery aminy
eny an-tanim-pitserana fitoniana
ankilan'ny kintana voagadra sofina sy lela

Zava-maneno,
mamoa-peo mitalaho.
amin-drevy matin'ny foko
Sa ho an'ny hazo matiny?

Ry valiha,
ny feonao izay niara-nanako
tamin-peon-keritreritry ny razako Nila fitoniana
no raozy manitra saro-Pantarim-ponenam-peo
Ary tsaroako indray Iarivo sy ny nosiko
noho ianao tsy niara-nobeazina
tamin-javamanenon'ny sasany
R'ilay antom-piononana kelin'ny foko.

Edmond rand
--------
Rohy:
938 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139