Mbola tia (Ny Avo Elabakaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitroatra kely foana ny foko hatramin'izao
Raha vao mahita anao
Tsy mety mino mihintsy hoe: vita ny amitsika
Tsy mety mangatsiaka e!
Mbola tena tia.



Saingy ny anjara tsy mila faniriana
Tsy mila mihaino akory hoe itsy tia sy tiana, fa...
avy dia mandahatra
Tsy mila tonga lafatra
izay voasoratra dia vita.
Eeeeeee! dia vita ny amitsika.





Saingy tsy afaka ny ho aiza
Manganohano kely sisa, mahita anao mitaiza
Mahita anao mitrotro
Mahita anao miampofo
'lay sombinainareo,
Dia lasa mitoreo
Mandefa an-tsaina kely ny tantaratsika roa
Hoe: tery nanaram-po,
raha dongy sy angoty...
tery nidradradradra, raha resaka hoe toky.
....Saingy...., porofo sisa ireo
Fa nisy ny amitsika,
aty aoriana aty.
Eeee! Izaho aloha mbola tia.
--------
Rohy:
1553 2
Mpakafy: Rhayman - henuka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143