You are here: home > Vetso

Hetraketraka - Elie Rajaonarison

HETRAKETRAKA

Misy maso tsy hitanao fa mijery anao ihany
Misy fo tsy tsapanao fa mitemo anao mangina
Misy saina tsy arakao fa misaina anao hatrany
Misy tia tsy fantatrao fa mandray anao ho tiana
HETRAKETRAKA

Misy olo-maninao, mankahala anao tanteraka
Misy endrika tianao, tsy nahalala anao akory
Misy fo hirifanao, milefa anao ho gina reraka
Misy nofy maminao, saingy rehefa ianao matory
HETRAKETRAKA

Misy sento indray mitosaka nefa tsy mba miomban-day
Misy maso indray mitopy nefa tsy mba mifanena
Misy tanana mitsotra nefa tsy mba mifandray
Misy tiana sady tia nefa miandry, mihenahena
HETRAKETRAKA

Misy fo te hifangia fa soparan-tsy hiaraka
Misy fo fanahy miray fa didiana hifampiery
Misy tana-mifandray fa dia misy mampisaraka
Misy aina roa ho iray fa sarahina an-tery!
HETRAKETRAKA

Mombamomba

Mpanoratra : Elie Rajaonarison

Nampiditra : hasiniony
Daty : 18/12/2004
Mpamangy : 5515
Mankafy : 10
Ankafizo

Tononkalo hafa

Namana!

Hevitra mandeha

Miarantsoa (18/12/2004 20:22:02)

I Elie Rajaonarison io fa fantatro!
Tiako loatra io mpanoratra io !
Mahazo isa 5 no mhoatra izy

andriary (21/12/2004 13:03:11)

tsara!tsy teny hafa ilazako azy!

hasiniony (24/12/2004 17:58:51)

NB: Io no tononkalo ankafizoko indrindra (Elie Rajaonarison)

Simpona (18/05/2006 15:30:52)

Tsaroako tsara ny nahitako ireo andalana efatra voalohany ireo voalohany indrindra
Tena akafiziko tokoa io tonokalo io

RAILOVY (11/10/2006 08:26:26)

tena tiko le tononkalo e, tsisy ambara fa babo aho. railovy

ledada (28/11/2006 11:31:09)

anio aho zany vao nahalala ho "hetraketraka " ny lohatenin'io tononkalon'i Elie io e!
ilay andalana 4 voalohany ihany no haijko tsianjery. misaotra an'i hasiniony nampiditra an'io eeeee! mankasitraka an'i Elie koa!

Nyakosombinaina (18/07/2017 09:21:19)

TSARA

Hametraka hevitra

Midira aloha