You are here: home > Vetso

Namana! - Elie Rajaonarison

Namana!

Namako iny ianao
rehefa injay mitsiky
    raha sendra mifanena

Namako eny ianao
raha toa mamikiviky
    rehefa injay aho resy
    voageja an-katerena
    .....

Namako hono ianao
f'isika tsy nahita ny volana nirĂ tra
f'isika tsy nandre ny hiran-doharano
        kanefa tena iray
fa nihaona teny ho eny ny foko sy ny anao
raha mbola tsy hary akory izao tontolo izao
    ....

Namako any ianao
mahita izay mba tsapako anaty zavozavo
mitsiky an'eritreritra rehefa injay aho fa ravo
mikalo am-betsovetsoko rehefa manimanina
de miaraka mirona rehefa samy fanina
...

Namako eny ianao
fa hitako aminao ny Lanitra Maraina
f'ianao na eo na tsy eo
      hatrany ao an-tsaina!

Sokajy : Namana

Mombamomba

Mpanoratra : Elie Rajaonarison

Nampiditra : kally
Daty : 07/02/2004
Mpamangy : 5724
Mankafy : 8
Ankafizo

Tononkalo hafa

Hetraketraka

Hevitra mandeha

Miarantsoa (03/12/2004 18:06:33)

Izany no tena tononkalo nateraky ny fanahy mitosaka eo am- panoratana.
Mendrika izy!

hasinina (16/04/2009 11:30:56)

"hoentinao aiza ny fon-janak'olona, rehefa mamonao ny ora"

Malita (17/07/2009 13:49:46)

"mikalo am-betsovetsoko rehefa manimanina
de miaraka mirona rehefa samy fanina"
tsara ilay izy e!
rehefa samy mamo ve no tian lazaian eto?

hihihi

Hametraka hevitra

Midira aloha