BITSIKA MANGINA (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BITSIKA MANGINA


Tsy voafetran'ora na koa toetr'andro
ilay bitsika mangina ,fa mitombo isan'andro
tsy fantatrao ny fiaviany,na koa ny fiafarany
fa mandrotsirotsy mahalasa embona any ho any


tsy azonao toherina ,na koa hampanginina
fa mavesatra manonja tsy azonao vimbinina
ami'ny alina mangina ,tsy mampahita tory
satry foana ho eo na dia tena mampahory


Iza marina ary ilay bitsika mangina
angamba ilay 'Anjara" mitondra fifaliana
sa koa ilay antsoina hoe "Safidy"
iavian'ny soa,manafoana ny mangidy

Bitsika mangina......
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1805 1
Hevitra mandeha
achrafhanna ( 10/08/2008 15:13)
misorata retsy ho
mpanoratra a,fa tena hitako fa,tena
ao amin-dry le
raha...
rijadolly ( 10/08/2008 21:36)
waou!Mankasitraka endrika a!
endrika01 ( 17/08/2008 08:45)
rijadolly>Mankasitraka antsika isika e!
ricardo ( 30/08/2008 19:42)
tsy mbola fantatro ianao
na hendrika na bika
nefa tiko tsotra izao
ilay fanoratrao sariaka
mahafinaritra ahy daholo,
ny asa soratrao rehetra
mirindra, sady tsara kolokolo
fanaperana hetsetra
endrika01 ( 31/08/2008 09:33)
ricardo>misaotra e
mankasitraka,mmmhhh
poety ny namana tiko be,lay diam-penina!
bazylou ( 15/09/2008 23:18)
mety ka
endrika01 ( 21/09/2008 15:07)
bazylou>zany รด,mbola ho tohizana sa avele aminio?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107