IANAO! (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO


Mahalasa saina ahy ianao
liana sy variana ny amiko
Te hahalala ahy ianao
ny havako ny taniko


Mampanotany tena ahy ianao
fa inona no tanjona
noho izaho namana vaovao?
Mitsiky ary f'aza mihanjona



Mampiomehy ahy ianao
miasa saina mafy loatra
raiso aho ho namanao
Tsaotra kely f'aza sendaotra


Mahatezitra ahy ianao
amin'ity hasaro-tapiaro
zaho anie tsy mbola vadinao
Ka maika ery hiaro


Manorisory ahy ianao
rehefa mody fanina
izaho angaha rantsanao
No hanafosafo refa manina


Maharomotra ahy ianao
mibedibedy foana
ny hevitrao no asesinao
Amin'ireny zava-poana


Mamparary ahy ianao
tsy mitoetra an-trano
misoritra ami-tavanao
Reo lainga be feno angano

Mampitomany ahy ianao
rehefa tojo olana
mikombona ny vavanao
Tsy miteny tsy mivolana


Mandrotsirotsy ahy ianao
amin'ny alina mangina
mitanisa an-tsofiko ao
Ireo zava-mahaliana


Mahafaly ahy ianao
misefosefo mitantara
ireo zava-baovao
Hatramin'ny alina efa tara


Mahasambatra ahy ianao
mandohalika mivavaka
mibalika ny endrikao
Tena kanto sy miavaka.



Ianao......
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2066 1
Mpakafy: achrafhanna
Hevitra mandeha
achrafhanna ( 10/08/2008 15:15)
o retsy ty a,za zany ao koa?sa ny lailahy io Ianao io?
endrika01 ( 17/08/2008 15:51)
Sali njy,hoany lehilahy
ankia a,njy vhv kou!
achrafhanna ( 24/08/2008 08:27)
mba mivazivazy retsy a
endrika01 ( 31/08/2008 09:35)
tiko anki lay
vazivazin-dresaka a!
bazylou ( 15/09/2008 23:21)
danza be izany kle!!
endrika01 ( 21/09/2008 15:08)
bazylou>zany a,ka misafidy izy kou
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147