You are here: home > Vetso

NAMANA IRAY - endrika01

                                       NAMANA IRAY

Namako iray tsy fantatro tantara
Nifamezivezy teny toy ireo tanora
Nifankahita fa taty afara
Nifanojo taminay 'lay dingana tsy mora


Tafaresaka izahay tsy nifanatri-tava
Nifampiantso an-taroby sy nifandefa hafatra
Ny teny nolazaina voakajy lalandava
Voasivana tokoa ho kanto sy ho lafatra



Tsy nisy havakavaka na koa be fitsara
Fa noraisiko tokoa 'lay tovolahy iray
Ny olana nodiaviny tsy dia haiko tsara
Fa ny fiarahanay tena kanto sy milay


                                              (natokako manokana hoan'ilay namana serasera 'zay...)

Sokajy : Aingam-panahy, Namana

Hevitra mandeha

maeva74 (16/06/2009 12:45:46)

Endrika an! iza hono ilay izy ? bitsibitsio amiko an! tsy eto fa ary,bisous ndry

Zozoro (16/06/2009 17:12:45)

Mahafinaritra ary hafa ihany ny manana namana ô !

endrika01 (21/06/2009 10:26:50)

Maeva74 > njy kou kiriézy ,anjaso fa lazaiko anjy e!

endrika01 (21/06/2009 10:29:02)

Zozoro > Tena mahafinaritra tokou, ny faniriana
mba haharitra!

andry 1000 (18/04/2015 09:40:24)

za koa namanao an! hihihi!! mpinamana daholo sika e

fongasy (02/09/2016 12:10:02)

Zah ry reto mahantra namana a !

Hametraka hevitra

Midira aloha