TSY RESY AKORY (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia anao izy k'aza ampijaliana,
Tia anao izy k'aza ampitoamanina,
Ny fitiavana tsy natao ho fahoriana,
Fa jereo ny hiafarana any aoriana,


Bitsika mangina miaro fifaliana,
Fa tsy ho teny mafy miampy fijaliana,
Fahatsoram-po toy ny an'ny zazakely,
Fa tsy hivatravatra hamono velively,



Tambitamby tsikitsiky,hantahanta
Fa tsy atao ho toy ny voankazo manta,
horokoroka ,tositosy, safosafo,
Fa tsy ho taratasy mora levon'afo.



Hotiavina,hampiana ,hoderaina
fa tsy ny mafy no asiana ho sedraina
jerena ,haremina,raha sendra ka mianjera
fa tsy ho lalovana ,toy ny kaopy sy ny vera


miara-miasa handresy ny hakamoana
fa tsy ho tokatoka ,miaro hamamoana
ho mirana,ho tsara,sy hahafatifaty
fa tsy hitrakitraky ,toy ny taolam-paty


Fifankatiavana,fananjana ,mahafaly fo
fa tsy ho halaelo,hiteraka famoizam-po
fanantenana,fikirizana,faharetana
fa tsy ny fahamaikana hangorona ny entana.
--------
Rohy:
3716 3
Hevitra mandeha
Vitsikakely ( 16/12/2007 14:07)
dia hangina eo tokoa -ndry,dommage.
voniala ( 03/03/2008 09:14)
efa hitanao ve lay tononkolo nosoratako(Voniala=Sunny ato @ poeme)
voniala ( 03/03/2008 09:14)
efa hitanao ve lay tononkolo nosoratako(Voniala=Sunny ato @ poeme)
endrika01 ( 06/03/2008 12:01)
tena mifona akia Vony a,tena hijery any aho fa aza matahotra ianao.
endrika01 ( 06/03/2008 12:02)
tsy androany kou fa aleo amin'ny herinandro ambony ,zany a,aza malahelo
achrafhanna ( 24/03/2008 12:09)
tohizo retsy 'ty a,
endrika01 ( 30/03/2008 15:58)
eny e mbola misy tohiny io fa zaho ndraindray mora mitomany zay,raha vao mieritreritr io olona ireo dia,hoatran'ny misy vato be misakana ao ambava foko dia avelako aloha hiandry kely!lava be io fa hatreo ihany aloha fa hosoratako eto ihany ny tohiny!zany a,aza malahelo é!dia misaotra anareo mametraka tsikera é!
ANJARA7 ( 03/07/2009 13:38)
tsy resy tsy akory aky a!sa tsy zany cherie ?raha mbola velon'aina mbola misy antenaina e!mahereza
ANJARA7 ( 03/07/2009 13:38)
tsy resy tsy akory aky a!sa tsy zany cherie ?raha mbola velon'aina mbola misy antenaina e!mahereza
endrika01 ( 04/07/2009 06:46)
ANJARA7 >nandraisako ny peniko manokana ,ny zavatra hiainan ilay mpivady teo aminy manodidina anay,lay tovolahy mahay be maso be,taolana mifono hoditra sisa
mbola misotro sy mamo foana,lay tovovavy tia azy,
tsy mahafoy azy,
nefa koa fady azy ny mifamaly resaka t@le vadiny,le sipa kou be rendrarendra loatra aminy haingo isan-karazany
de le bandy rery anefa no miasa,tokony tsy ho io angamba no lohan-teninio vetso io,nefa io no itako sahaza
hoany tokan-tranony mpivady manana olana!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143