You are here: home > Vetso

Any 'zay lay tiko - Enouh

Any 'zay ianao Rahavako,
Any an-tany lavitr'any,
Any ambadika tsy tazako,
Mampanembona aok'izany.

Any 'zay ianao ry Tiko,
Toa malahelo anao 'ty foko,
Ny ahita anao no faniriko,
Mba handreseko 'reo toloko.

Any 'zay ianao malala,
Hiafiko ny elanelan-tany,
Ny foko anefa toa adala,
Omeo toky tsy hitomany.

Sokajy : Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : Enouh


Nampiditra : Enouh
Daty : 24/06/2018
Mpamangy : 424
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Tsiniko ve...?

Hametraka hevitra

Midira aloha