"Fandalovana Avokoa" (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fandalovana Avokoa

Fandalovana ny fiainana eto antany
Aza atao mampisento
N'inon'inon hiafara
Dia hiafiko hatreto
Alamino re ny saina
Lay tianao andrandraina
Olona nanankinam-po
Voafidy hitondra soa
Araraoty dieny izao
Ny fahatanoranao fa voafetra
Ataovy mendrika ny toetra

Any ho any misy namana
Voazaran'ny toerana
Ory loatra fa tsy tazana
Ka miady anao rahavana
O! ry tany be an-kaso
Aza mampirotra-dranomaso

Ernest vohanson
--------
Rohy:
1330 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142