IZA MOA IANAO? (ernest2015)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA MOA IANAO,

Iza moa ianao Razazavavy?
toa tsy mahalala ahy akory
nefa toa mamoha ahy sahady
ilay fitiavako mbola matory

Iza moa ianao?
Razazavavy tsy miraika,
Iza?Mba lazao
fa toa manaitaitra

Iza moa ianao azafady?
no mitia ahy tsy misalasala
toa sahy mametraka vohady
sahy miantso ahy hoe Malala!

Iza moa ianao raha tsy mahadiso?
toa tsy misy tahotra na dia kely aza
tsy mahalala ny fankam-panahy ao anaty haizim-pito
sa efa diso mahalala fa mba te halaza???
--------
Rohy:
1494 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105