Alina mangina ny aliko at (EZK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina mangina ny aliko aty
Fotoanako indray @penina sy taratasy
Vetsovetso-po nomaniko ho andry
Ainga-panahy ngamba, oenti-matory ho vatsy

Fa ataoko ho solon' angano izao hafatro izao
Bitsika mangina,iriko hapitony fo
Saino hoe eo anilanao aho @zao fotoan'izao
Ka handrotsirotsy ny fo, ho antsika roa

Ka hiova ho ali-pahatsiarovana mamy
Ny alitsika roa hiriko hifandray
Tafandria mandry ho torimaso mamy
Vimbinin'ilay Ray, anaty nofy iray
Ny alin-tsika EZK
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2005 1
Mpakafy: Ezakasetra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EZK
Nampiditra : Ezakasetra
Daty : 11/12/2017 09:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107