Hafa ny anilanao ... - Fabla Nirice
Hafa ihany neny ny teo anilanao
Sambatra tsy maro iasana saina
Aty aho lavitra, tsy zatra manavao
Miforitra irery, miady miferinaina
Tsy ary voantanisako mantsy
Na koa hambara daholo
Ireo fijaliana ianako tsy tanty
Ela ihany ianao nikolo
Ka tsy tiako hijalin' ny fiasantsaina
Ka naleoko niezaka tsy nitaraina
Fantatro manko,fa tianao loatra
Ary tena tianao avo mihoatra
Ka sao tsy hahatafintombina
De naleoko nangina
Fa tsoriko, hafa ihany ny teo anilanao
Manomana ny hoavy nefa ka nandao!
Sokajy :
Fisarahana
Mombamomba
Mpanoratra : Fabla Nirice
Nampiditra : FablaDaty : 05/07/2018
Mpamangy : 373
Mankafy : 0
Ankafizo