AHY... (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHY....


Redonin'ny foko ny ratran'ny lasa
Nandamaka saina, nandavo kinasa,
Kaloiny ao anaty ny ngidin'ny tsiahy-
Sy ny aloka maintin'ny ratsy fanahy.

Ventesin'ny saiko ny riman'ny fery
D'izaho no mimalo mizaka irery,
Ny hazo filanjan'ny very fanahy-
Tsy hidongiako fitserana ho ahy.

Ketohin'ny ady ny saina maratrako
Sininton'ny fasana hatramin'ny vatako
Tahamboraka ihany, kanefa tsy sahy-
Angamba efa miandry, ilay rangolahy.

Ny lasa efa maty no mbola mitsangana
Ny visa ho ampitso tsy nisy niangana,
Nandindona loatra ny fo sy fanahy-
Naningotra koa, ny aina mba ho ahy.


FahNamby
2017
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
589 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149