AMIKO NY RAY (FahNamby)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIKO NY RAY...


Amiko ny ray, dia andry sy fiankinana
Manohana hatrany, na inona kinendry
Mikiry ka mikiry, eny na tsy mihinana
Mikolo sy mitaiza, ny zanany mba ho hendry.


Amiko ny ray, dia fanilo manazava
Manitsy ny tsy mety, izay ataon_janany
Tsy mba mety kivy, fa miramiran_dava
Raha mbola afaka mitady koa ny tanany.


Amiko ny ray, HERY mampiaina
'Zay fiainan'ankohonana
Mahay miatrik'ady, sady mafy saina
Tsy sasatra mitady, fa manam_pahavononana.


Amiko ny ray, tsy sanatria adala
Raha sendra ka mibedy
F'izy ireny mantsy, tsy mahay ny mankahala
Mamantatra ny misy, tsy akory rediredy.


Amiko ny ray, mendrika ho deraina
Na inona miseho, hainy ny mitraka
Olona mahery fo, no sady koa matanja_tsaina
Ka na inona midona, dia miezaka mizaka.


Amiko ny ray, olon_tokana eto an_tany
Tsy im_piry anananao,
Ka raha sendra ianao tomany
Dia...mampitraka i Dadanao.


Amiko ny ray, volamena sy firavaka
Haigon_tanana amam_bozona
Dada a!? tena olona miavaka
Sanatria tsy mba hanozona.


Amiko ny ray, mpanjakan'ny fitiavana
Tsy manan'eritreritra, hafatsy izay ho an_janany.
Tsiky ho azy mantsy, ny mahita sy mitazana
Ny tarany mitraka, f'izy ireny no fananany,


Hafa mihitsy i Dada...
Amiko izy rado
Haingon_jato vatako
Tiako koa sy mamiko


saino!
FahNamby
--------
Rohy:
Sokajy : Fetin'ny ray.
1817 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 02:37
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104