ANGAHA...!? (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAHA...!?


Omaly nisy fo,
niombon_kasambarana sy tretrika f'iray,
Nanao voady ho tokana, nitambatra fa tia,
Ny dina dia napetraka fa ho mandrakizay,
Noredonina ho faneva ny ho doria doria,


Indrisy anefa androany,
Iny fa nifarana, rava teo 'lay aina
mba hany nitambarana,
Ny iray tavela teo, ny ankilany nisintaka.
'Lay fo efa nitambatra nanjary niparitaka.
Marina tokoa ve fa: "rehefa hoe FITIAVANA, tsy maintsy misy fitaka?"

Angamba...!?


FahNamby
2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
843 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146