AN'I DADA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AN'I DADA


Dada a!
Sary tsy ho afaka ao an_tsainao na oviana na oviana
Ny vatako mitsotra eo an_joro firarazana.
Eo no fara_tazana ny endrika amam_batako.
Hialako tsiny Dada raha toa fanahy iniana a!
Fa ny zava_patako:
-Mandry tsy maheno ny dridram_pisentoana,
-Mandry manadino ny ratra tsy ho sitrana.

Ka raha ho avy 'zay fotoana tsy hitepon'ny foko intsony
Mahaiza ianao mitony.
Mahaiza mampahery 'zay mety malahelo noho ny fahalasako.
Eny e!
Ekeko hoe adalako ny zavatra hiseho.
Omeo ahy ny tsiny sy ny teny maharary...
Fa etsy aloha toneo:
-Ny saina
-Fo
-Fanahy
Fa aza mbola maika handrotsa_dranomaso.
Moa izy mianadahy
hilazao fa tsy ankaso na sotasotan'olona ny zavatra mitranga.
" Fa vita hoe ny tolona sy ady 'zay natrehiny,
Resy an'ady izy iny ka naleony dia nifidy
ny higadra sy voafatotra ao anaty fonja vato "

hmmm !
Moa koa tato ho ato
Mandoaka indray 'lay fery efa saika sitrana,
'Lay ratra efa nikombona no indro 'ndray voadona.
Ka eto aho dia mifona,
Fa andro tsy ampoizina no hialako etoana...
Amin'izay fotoana 'zay!
Ny vavako ho moana
Tsy afaka hisaotra ny amin'ny zava_bitanao.
K'izany no hamelako 'zao taratasy 'zao...
...Misaotra, mankatelina fa nahalehibe ianao!

Fa mba hiangaviako,
'Zao hafatra eto 'zao, aza hasehonao an'i Neny
Haiko mantsy izy iny fa tsy maintsy harary fo
Tsy maintsy haratra saina!
Ka aza tantaraina f'izaho namono tena
Teny tsotra ambara e!
" 'Zay hoe no efa anjarany
'Zay no mba tantarany
Dia...iny sary an_tsainao iny no fizarana farany."

Aorian'izay fotoana tsy maintsy hoe hodiako,
Dia...mifankatiava tsara,
Mahaiza mifanaraka amin'izay rehetra atao.
F'izay no faniriako
....sy zavatra himasoako amin'izao fotoana izao.
Tiako ho fihavanana no tsangambato tokana
Hahatsiarovana ny anarako.
Ho teny fampiononana ry Dadako malala a!
D'izao atao an_tsaina a!
" Izay no efa anjarako"
Ny Izaho naningotr'aina,
Hafeno dia hafeno, tsy hisy mpahalala.
Fa ny zavatra angatahiko tsy mba ho hafeninao
Dia 'lay taratasy ambany ondako ao!
Vakio ho ren'i Neny.

Izay ry Dada fa hofaranako ny teniko a!
Tiako ianao matoa, nataoko nahalala ny zavatra hafeniko.
Ianao koa mantsy inoako,
Fa olo_matoa_tsaina, sy mahazaka dona.
Aleo androany mihitsy d'efa ataoko ny veloma e!

Mino aho manantena fa mbola hihaona isika...


FahNamby
Desambra 2017
--------
Rohy:
2470 2
Mpakafy: ANARIM - rfahendrena
Hevitra mandeha
ANARIM ( 04/01/2020 07:57)
kay, mangorintsina tanteraka aho mamaky ireto andalana...
inoako sy antenaiko fa vetsovetso ihany, fa tsy tarigetra ny handao ny tany an-terisetra haningotr'aina...
tsy haiko aloha ny tanjona, fa irariako indrindra ny ho avinao rehetra taorian'ny nanoratana izato tononkalo, ho soa sy mirindra lavitry ny jaly...
mirary soa.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : rfahendrena
Daty : 05/03/2018 14:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182