DADANAO (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADANAO...

Ny tena marina d'izao e!
i Dada tsy nisaina mihitsy, ny hanary an_drÿ sy andao
i Dada tsy nisaina mihitsy, hoe ianao ka tsy niriana.
Fa tsoriko ry sombinaiko
Tena mamy sady tiana, raha ianao an_tsain'i Dada.
Eny, ekeko ianao ho gaga ny amin'ny zavatra miseo.
Fa i Dada tsy hoe leo dia nandositra adidy.
Satriko aza anilan_drÿ raha izaho no misafidy.

Saingy avy amin_dreninao,
Ny olana nahatonga 'zao.
Nolazainy ianao fa tsy ahy, fa zanak'olo_manam_bola.
Zanak'olona ambony sy akaikin'ny mpitondra...
Fony ianao vao latsaka aza,
Na dia topi_maso monja tsy navelany nataoko.

Fito taona lasa 'zay,
No efa rava ny aminay.
Iny aloha tsy dia nahoako, tsy nasiako sira akory,
Fa ny zava_mampahory sy mahavaka 'zato saiko
Hoe ianao 'lay sombinaiko, mitondra anaran'olon_kafa.
Angaha tsy tena hafahafa e!

Teny Besarety teny,
No nahitako anao sy Neny
Tao anaty fiara raitra, tena tsara sy vaovao...
Ny zavatra tsikaritro! Nahazo aina reninao.
Teo anilanareo teo, lehilahy somary antitra mitana familiana...
Teo ny saiko dia variana
Hoe, iny 'zany 'zao
'Lay olo_nosandohan_dreninao, nolazaina ho dadanao.

Saingy tiako ho fantatrao,
Fa izaho no Dadanao.
Tena tiako ho takatrao, fa i Dada tsy nanary
'Zao i Dada aty marary malahelo mafy an_dry.
Manirery 'zaho aty,
Mbola averiko eto ihany...
Fa i Dada tsy nisaina ny handao sy hiala adidy.
Satriko aza anilan_drÿ, raha izaho no nisafidy.

saino!
FahNamby
01/02/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - fiainana
1200 1
Mpakafy: rfahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : rfahendrena
Daty : 05/03/2018 14:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014