IANAO (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO

Sainiko mangina ny mombanao rehetra
Dinihiko milamina ao an'eritreritro ao
D'injany mantsy reko miboika tsisy fetra
Ny vetso_po anaty maniry mafy anao.
Tia angamba?

D'indreny misy sary miseho tsimoramora
Isika roa voafatotry ny tàna_mifandray
Miara_dia sy sambatra tsy misy mpanakora
Tsinjoko manjohy ny "ilay mandrakizay"
Sambasamba!

Antsoiko mora ianao hamaly sy hiteny
Eny e! Anaty saiko ihany izao tantara 'zao
Nanjary ianao hatrany no sary hita ombieny
Asa na ahoana fa tsy nahita ankoatra anao
Sa...tia ka jamba?

FahNamby
2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1531 2
Mpakafy: Rhayman - rfahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : rfahendrena
Daty : 05/03/2018 14:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147