'LAY MANJAKAMIADANA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'LAY MANJAKAMIADANA

Na impiry ivalombalona ny taona efa lasa,
Dia mbola tsy voafafa
sy tsy afaka ao an_tsaina
'Lay Rova nolalaina, f'indrindra mamintsika...
Nodorana ho kila
Dia iny fa nidila, ny hasina nananany.

Mbola an_tsaina foana fa nisy teto Rova
Natao ho rehareha...
Aiza 'zany 'zao!!?
May 'lay tena lova
Kila rotidrotiky ny afo goavam_be
Kanefa hany vakoka navela ho ahy sy ianao.

Iza ary aiza foana
'Zay nahavanin_doza no mbola tsy henoheno.
Raha toa mba fantatrao
Malaky ianao teneno ka lazao am_pahibemaso
F'ireny tena ankaso
Ka n'iza n'iza fantatra fa nahavita ireny...
Tsy mendrika ho Gasy!

Oh!
Dia io Manjakamiadana fa zary nofy an_tsaina
Efa babangaona sy an_drafitra "maoderina"
io tsoriko aminao a!
An'ny Malagasy io, fa monja tsy an'ny Merina.

Indrisy ianao fa rava r'ilay Manjakamiadana.

saino!
FahNamby-06/11/17
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
861 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 12/11/2017 03:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098