MASOANDRO DIFY... (FahNamby)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MASOANDRO DIFY


Miserana anaty ny tsiahiko ry Dada !
Manembona anao any ambadiky ny onja-
Dia ny onjan'ny fasana tsy mety rava,
Tsy ravan'ny sento fa tena mafonja.


Ry Dada-malala nitrotro ahy fahiny,
Manembona anao 'zao ny foko androany.
Androany no tsapako fa mpivahiny-
Vahinin'i Neny fa namela mamy.


Eee! Fantatro ianao fa niverina ho tany,
Namela ahy sy i Neny nigoka mangidy-
Ngidin'ny tsiaro, misinton_tomany.
Tomany mandratra fa dia sarobidy!


Ka ho fahatsiarovana anao efa lasa,
Ho avy aho anio, hamangy ny fasana-
'Lay fasan'ny nofo, 'zay ratsy fikasa.
Ianao koa inoako fa ela niandrasana.


FahNamby_09.10.17
--------
Rohy:
Sokajy : Fetin'ny ray. - Hanina
1006 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 14/10/2017 08:38
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103