You are here: home > Vetso

MBA RESAKA - FahNamby

MBA RESAKA...


Resaka no atao, ka tiana mba hateza...
Fa...etsy ianao androany hiangaviako dia meteza,
Hanongilan_tsofina hihaino ny ato am_poko....


Raha ny nanadino anao,
natao fa tsy mba vita e!
Hambon'olon_tiana 'lay nilaza fa tsy tia
Impiry moa nanafina, fa iny mbola hita
nisoritra t'an_tavako ny foko tia anao.
Babo fa ninia nanaratsy anao tanteraka.
Noterena ho teraka t'anaty, ny tsy hitia anao.


Kanefa hatramin'izao dia...
Mainka mihamitombo, mandoaka sy mandratra
ny fo an_tratrako ao
ny fitiavana anao niniana novonoina...
niniana nosoloina, fa mbola tsy nidify e.


Mbola mitampify, mibahana ny foko,
mibahana ny foko!
Babeko ny toloko fa...adalako 'reny.


Resaka ka resaka raha ny hanadino,
Ny saiko aza tsy mino fa ny antsika zary nofy.
Ianao anjely anatiko fa...
Hiniako tsy tiavina.


FahNamby_17/09/17

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha