MBOLA NOFINOFY. (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA NOFINOFY...


Tsy efa hatraiza isika no nitady fahafahana?
Nitady fahalalahana ho an'ny Malagasy.
Hatramin'ny poa-basy,
nihafiany sy niaretan'ireo mahery fo.
Atao ahoana moa,
fa lahatra d'ekena e!
Kanefa i Gasikara,
moa efa Firenena malalaka sy afaka?
Baraingo anaty lavaky ny sain'ny vahoaka
ny ZOny tsy mivoaka.


Ny mpitondra sy ny ambony,
variana manodoka, sy tsy sasatra mitazana
ny hirifirim-pon'ireo madinika, mitrongy 'zay vao homana.
Kanefa tsy izy ireny no naratram-pitolomana
ho an'ny Tanindrazana?


Rahovian'i Gasikara vao halalaka sy ho afaka e?
Toa mbola ankamanratra!


saino!
FahNamby
28 Aogositra 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
935 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144