MISAONA INDRAY (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAONA INDRAY !


Manonja anoloako ny ranon'Ikopa
Kanefa ny masoko jenjin'ny tsiahy,
Tsy tazako akory raha sendra mitopa
Mba te hanadino kanefa tsy sahy.


Misioka eto anilako ireo voronkely,
Kanefa ny sofiko mihaino ny omaly.
Tsy ho voafafa ao am_po velively,
Na dia mandratra ny efa mijaly.


Mihaino ahy daholo ny zavaboahary,
Kanefa ny vavako mbola mimoana.
Voatsindrona mafy ny foko! marary.
Moa impiry no tokony hisaona !?


FahNamby_09/10/17
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - embona
774 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 14/10/2017 08:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0295