You are here: home > Vetso

NAHOANA? - FahNamby

NAHOANA?


Nahoana ry sento
No havela andalo,
Sy hipongatra eto-
Ny ora hampimalo?


Nahoana ry tany
No mbola mitoetra,
Sy tsy afaka ihany-
'Reo mpisetrasetra?


Nahoana ry volana
No noana taratra,
Sy rakotr'olana-
Anaty fahavaratra?


Nahoana ry lanitra
No tsy heno intsony,
'Lay fofona manitry-
Ny felam_bony?

Nahoana ry alina
No dia mangina,
Ao anatin'ny lalin'
izay fahoriana?


Nahoana e!, nahoana
No mbola mijaly,
Sy tsy afaka foana-
Ny dindon'ny omaly?


FahNamby_16 Novambra 2017

Hametraka hevitra

Midira aloha