NY FANAMBADIANA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANAMBADIANA.


Ny fanambadiana rehefa mijoro
Dia sanatriavo ny hoe hampikoro
Ny handika ny voady 'zay nifanekena
Na handrava 'reo toky 'zay efa nomena.


Ny fanambadiana rehefa mijoro
Tandremo hatao toy ny fitiavan_kidoro
Alina ihany vao mba tsarotsaroana,
Sy mpandrotsirotsy raha sendra hamamoana.


Ny fanambadiana rehefa mijoro
Mila atao fahavalo ny savorovoro
Ilaina halavirina ny adiady
Sao vao tafarina dia rava sahady.


Ny fanambadiana rehefa mijoro
Ezaho mba ho lavitry ny horohoro
Ny fanaratsiana s'ireo fanenjehana
Dia hanehoy an'ilay fahamendrehana.


Ny fanambadiana rehefa mijoro
Dia tefeo ny fanahy mba ho torotoro.
Ka mba harovan'ny Ray ao ambony
Ary ataovy ao an_tsaina "ny tsy hisaraka intsony"


Rehefa mijoro ny fanambadiana
Dia hiaino am_pitiavana sy am_pifaliana
Ny tsy fatokiana hialao sy farano
F'izany hono mantsy no hoe " Tokantrano".


matoa anie mijoro ny fanambadiana
Dia tafaray 'zay ny tia sy ny tiana e!
Ka hampanjakao re ny tena fitiavana
Ny fifandeferana ezaho mba ho tazana.


Matoa koa mijoro ny fanambadiana
Tsy mipetraka fotsiny hoe faniriana
Fa io dia anjara avy amin'ny Ray
Ka mifankatiava ary mandrakizay e!


saino!
Fah Namby
13/01/17
--------
Rohy:
3222 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 03:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148