RAHA ANDEHA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HANDEHA...


Zandry a!
Raha handeha ianao anio
Dia izao no tadidio
Tsy hisy intsony ny fotoana
Hisangina sy hitosiana
Toy ny omaly sy ny lasa
Indrindra moa ireo kinasa
...nofinofy 'reny sisa.


Raha andeha ianao,
hanaraka azy
...tsy akory vazivazy
Fa matora fo sy saina
Hiatrik'ady vaovao,
ao an_ tokantranonao.

'Zandry a!
Aza adino
F'hisikino...
Ny anatranatry ry Neny
Raha andeha ianao ho Reny.


Fitiavana io ry zandry tiako,
Ka ny zavatra iriako,
Tsy anio sy ampitso ihany
Fa mandrakizay mihitsy
Ny fitia hiombonanao
Amin'izato vadinao.

Raha handeha ianao
Fantaro...,
Fa fitia tsy azo hafangaro
ny antsika sy anareo.
Ka aza ataonao mankaleo
ny fitiavana hatolony
Na am_po, na eo imolony
Fa hiaino ny tontolony.

Mahaleova mahalasàna.
Hirariako ho tamana
Any an_tany lavitra any
F'izahay aty ry zandry?
Dia mahatsiaro an_dry hatrany.


saino!
Fah Namby
8 jona 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Tsodrano - Fianakaviana
1252 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 03:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106