RAHA TONGA 'LAY ANDRO (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TONGA 'LAY ANDRO

Raha sanatria ka ho tonga 'lay ora
Hialan'ny aiko, ny vatako hatory-
Dia n'iza haneso na iza hanakora,
Aza misaona na miondrika akory.

Fa hametraho voninkazo ny fasako,
Ho mariky ny andro firavoravoana.
Dia aza tsarovana akory ny lasako,
Fa fiainana 'zany raha mbola etoana.

Esory an_tahiry ny andro niainako,
Fafao an_diary 'zay zavatra vitako.
Dia aza dimbiasina re ny fisainako,
Na hifalio any ambadika tsy hitako.

Rarao tsy hivoaka ny sento, tomany,
Sakano tsy hirotsaka ny ranomaso.
'Zay no anjarako teto an_tany,
Fa tsy sotasota na koa hoe ankaso.

Rehefa any taona ka mety hitsingerina,
Dia aza asiana 'zay fanakalazàna.
Fa raha mba mety d'ity re haterina,
Lamba hirakofako mba hanafàna.

Raha tonga 'zay andro dia tena fadio,
Ny hoe hahalala ny anatiko ato.
Ny fasako koa, raha mety tsindrio
Vahona telo fa tsy tsangambato.

FahNamby_15/10/17_23:20
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - fiainana
923 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 12/11/2017 03:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01