RAHATRIZAY... (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHATRIZAY...


Rindrina vato tsy azoko ihoarana
No mamefy ny nofo, singa marefo
Lamba matevina no hifatrarana
Ho giazany hatramin'ny aina nisefo.


Fofona lao, tsy mba azoko ialana
No manentoento ao an'efitra hitsorako
Ny taolako mihintsana, toa fahagagana!
Nangina ny toky sy dina naborako.


Haizina lava tsy mba misy hazavana
Fahanginan'ny maty no hany fandreko
Nanjary nitsoaka tsy nety tamana
'Lay "aingam_panahy" 'zay mba notefeko.


Resy aho izao, moa afa_manoatra?
Voasakan'ny vato, voahidy tokoa
Voafehin'ny tady ka tsy afak'hitroatra
Izany ny maty, Ka dia ho aiza moa?


FahNamby
(2017)
--------
Rohy:
776 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 03:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149