RY FASANA Ô! (FahNamby)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FASANA Ô!


Moa ve misy fifaliana ao an_kianjanao ry fasana?
Maninteraka adin_tsaina ny fijoalajoalanao
'Reo rehetra lasanao, moa nimpody raha nandrasana?
Mampisento ianao ry vato tsy mihaino ny talaho.


Toa ianao 'lay mampikoa no totofam_boninkazo,
Fa hafafinao an_tany, 'reny ngidy tsy ho telina
Kanefa, hafaliana ny anao rehefa iny fa mahazo,
Ho aiza moa raolombelona, tsy tomoetra fa mielina.


Toa vitanao ny tsy mangoraka, sy mihaino ny taraina
Mafy fo ianao ry fasana, mahajery ny tomany,
Toa vao mainka herinao, ny fisarahana aman'aina
Sa voninahitra ho anao ny mampiverina ho tany?


Toa tsy vitsy anefa ireo manonofy mba ho anao,
Resin'adim_piaina hono, k'hampikipy irony maso!
Tsy mahita andro mihiratra, fa misento lava izao,
Toa miaina fahakivina, sy mibaby irony ankaso.


Mahangoly fo tokoa, 'zato inao ry fasan_dratsy
Mampilofika ny saina, tsy hahatsapana fitsikiana,
Saingy ho fasana ianao raha tsy misy anay ho vatsy?
Ka nahoana no tia_tena, mampitondra fahoriana?


saino!
FahNamby
1 Avril 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fasana
1013 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 03:57
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201