TETO (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TETO...


Tandidinao ve ito vato misy sary fo
voatsindron_defona ito?
'Lay niarahana nanangana ho vato fehizoro
sy marika fitia!
teto isika roa, no nifanao voady tsy hisaraka n'oviana.
teto koa no nisy i Toky sy ny dina.
Teto 'zaho sy ianao no nifanojo maso
rehef'iny ianao nandalo,
Teto 'lay toerana nanaovana takalo tsiky sy alahelo.


Teto ianao no reko namaly ny fitiavako
nanaiky dia nitsiky.
ito toerana ito, masina rahavako fa nampihorina ny antsika.
Teto 'zaho sy ianao no niara_nitokiky,
niaraka nanjonitra raha sendra ranomaso
niaraka nikomy tamin'ny gafin'ny ankaso.


Tsaronao ve 'lay andro efa mena faravodilanitra
mbola isika teto nihanoka hasambarana?
ireny ankehitriny tsy maintsy hoe nifarana e.
Reko tamin'ny namana mpiaramianatra taloha fa,
maty anio maraina, ianao 'lay mba voaloha
namborahako fitia.


Androany!
'zaho irery sisa, no eto mandevina fitiavana
tsy misy hoe havana na namana hampionona.
FITIAVANA a!
mandria am_piadanana, intsony aza mifoha.
veloma hoy 'lay teto, efa taloha.


FahNamby
12 Aogositra 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
874 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148