You are here: home > Vetso

TOLONA... - FahNamby

Tra ta ta ta ta...!!!
Rotika ny nofon'ireo mahery fo
Potika sy levona ny vatana Malia...
Ny rà niraradraraka, nandriaka ihany koa...
Maro ireo nianjera, be ny nikodia!

Tra ta ta ta ta...!!!
Nanako dia nanako ny feon'ny "kalaky"
Tambadiky ny avoana sy tendrombohita avo...
Natao fitifi_borona ny Gasy mba nitaky...
Nikatsam_pahafahana kanefa indrsy, lavo!

Tra ta ta ta ta...!!!
Hoy ny basy nifandrimbona nanala ny ain'ny Gasy
Nanala ny ain'ny Gasy! Gasy tia ny Taniny...
Nisotro ny mangidy, niharitra ny mafy...
Ho fitakiana soa, ho an'ny Tany maminy!

FahNamby

Hametraka hevitra

Midira aloha