TSY FITIAVANA NAMBOARINA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FITIAVANA NAMBOARINA...


Raha iny nifanojo ny masontsika roa,
Dia tsapako avy hatrany fa nitsimoka ilay voa...
T'anaty foko tao,
Tsy akory tia anao fa, nitsimoka ho namana...
...nitrebona ho sakaiza, dia nifandray ny tànana.
Tadidinao ireny!?


Vetivety teo, nanjary niara_dàlana,
Nanomboka nitafa,
'Zaho moa nihafahafa fa...teo ny zandrinao,
Dia...injay fa reko,
Saingy tsy nomeko, halalana hivoaka,
Noferako tsy hitroatra.
Namelana ny ravina,
Naniry maitso mavana...
Nandrobona ho fitiavana ny tempotempo_poko.
Dia tapitr'iny hatreo...


Fotsiny aho malala tamin'iny dia nangina a,
Tsy mba niloa_peo 'zay resaka fitia,
Fa kosa nankafy...
...ny feo malefakao t'anaty hirahira.


Tsy akory 'zany arira a,
Na raisinao ho angano fa...
Fitiavana mangina,
...naniry anao ho tiana fa fotsiny ao anaty.


Fotoana vitsy monja
Dia tsapako nanonja t'anaty foko tao
Ny fitiavana anao.


Ka hany faraheriko,
Noentiko ny rima hamakivaky sedra...
Ny ahy tsy rendrarendra na nisinisy foana...
...fa niandry koa fotoana.


Tianao ny foko...
Tia e!
Tsy haiko intsony hafenina,
Dia roso teo ny dia...
...tahotra sy hovitra no nangalako fÿ
ny zavatra niseho.


F'ianao nampiandry foana...
N'oviana ho'aho fotoana hamalianao ahy...
...dia eto aho miandry anao.


Omaly vao omaly,
Nitempo falifaly ny foko akia malala a,
Raha iny nahalala fa...
...tinao ny fitiavako
Tretrika aho rahavako.


Fa saingy izao ry tiako,
Mifono misitery ny misy hiainantsika...
Ka tsy andriko mihitsy 'zay andro hiaonantsika...
Tsy fantatro f'izany e,
TIANAO ny foko,
Izay no manambara fa...
Tsy nisinisy foana ny amiko sy ianao.


saino!
FahNamby
09 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5350 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144