TSY MENDRIKA HO GASY (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MENDRIKA AHO HO GASY...


Gasikarako ô!
Anio abaribariko ny tena ato anatiko,
Aborako aminao ny tena ato an_tsaiko.
Anio no toa misisika,
mibosesika tsy tantiko.
Maningotra ny aiko, ny vitako hatrizay.


Eto am_piandohàna, dia...
mifona sy mivalo,
Mandohalika aminao no sisa azo atao.
F'izaho 'lay fahavalo, nanimbazimba anao.
Nandrava sy nanimba
Ny maha_ianao anao!


Tsoriko ry Taniko,
Fa ny tenako mihitsy no singa nandrodanana
ny fiandriananao.
Niniako koa natao,
ny namono ny hasinao.
Gasikarako ô!
Tsy mendrika aho ho Gasy hireharehavanao.


Io vavako io mihitsy,
Niteny tsy an_kitsitsy,
F'i Madagasikara
dia firenena tara raha aram_pandrosoana.
Io vavako io mihitsy,
No nilaza koa fa vitsy
ny olom_pirenena mitia anao ry Taniko.
Raha ny fanesoana!
Impiry efa nataoko?
Tsy mendrika aho ho Gasy e!


Tsy ny hisandratanao,
no tanjona ato an_tsaiko, fa...
Ny hahita anao mianjera anaty lava_dalina.
Gasikarako ô!
Inoako ianao fa malina amin'izay rehetra hiseho,
Fa ny saiko mbola teo,
nihatsaravelatsihy.
Milaza tena tia, kanefa ary ambadika
efa vitako sonia,
Ny taratasy manamarina f'ianao dia efa lafoko.
Indrisy re ry Taniko.
Ka dia aoka hazava:
Eto am_pamaranana aho dia tena sahy milaza, fa...
Tsy mendrika aho Gasy e!


saino!
FahNamby_26/09/17
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
902 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 14/10/2017 09:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103