VAKY BOKY (FahNamby)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAKY BOKY...

Nahabotrabotra saina
Sy nitaiza ny fanahy ny vaky boky tamin'izany.
Dia namelombelona aina,
Nahafoana ny hakamoana, nahamaina ny tomany.

Tamin'izany fifaliana
Ny mamakimaky boky 'zay natao ho fialam_boly.
Ary tena nahavariana, fa...
Velom_bolo ny fanahy, 'zay tsaroana ngolingoly.

Nahazoana fahalalana
Sy nitondra fahombiazana, tamin'ny resaka fianarana.
Saingy 'zao toa fahagagana,
Vaky boky an_katerena, fa tsy intsony fahazarana.

'Zaho manentana sakaiza a!
Mba mitiava vaky boky e!
Ka raha mety ianao mahaiza
Manantena sy matoky,
Fa raha tia mamaky boky...
Dia tsy maintsy ianao tafita,
Dia tsy maintsy ianao hahita
Fahombiazana goavana...
Fa ny boky aloha hotazana e!

saino!
FahNamby
--------
Rohy:
1194 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 12/11/2017 03:23
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154