VOADY AN'ALITARA... (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOADY AN'ALITARA


Malala a!

Eto anatrehan'ilay Nahary antsika,
no hanaovako voady.
Eny! hanolorako ny toky
ho antoky ny fiainan_tokatranontsika.
Ka na ory ianao na manana
dia anilanao ny foko,
na ho faly na marary, mety hisedra koa toloko,
dia ny misinao dia misiko,
tiako ianao ka tiako.
Hanaja anao hatrany aho,
mandram_pialam_pofon'aiko
na dia tsy ho aiko aza ny havoakan'ny ampitso.
Na tsy fantatro aza ny tantara mety hiseo,
ianao ve hankaleo?
Manomboka androany, dia eto an'alitara
no hanekeko anao ho vadiko
tiako ianao...,
ka ra mety ianao dia etsy...
'lay tananao havia
hatolory ahy malala a!
"Hatolotro ho anao, ity peratra ity
ho marika ry tiako fa...izaho
efa nampakatra anao ho vadiko"
tsy fitaka ny voadiko.
Tiako ianao...


saino!
FahNamby
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
950 1
Mpakafy: RFahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : RFahendrena
Daty : 29/08/2017 04:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151