... FARANY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hanadino anao aho, na oviana na oviana
Fa mamy loatra tato am-poko,
Ny anaranao tsy foiko.
Tadidio fa any ho any,
Misy fo iray tomany,
Misy fo iray mijaly,
Misy fo iray marary…
…Satria tena tia, nankafy,…
…Nanantena anao doria !


Efa resy aho ka hangina…
…Tsy maitsy himpirina aho fa sina.
Diso làlana aho…solafaka.
Hany sisa azo atao…hivavaka !

Tsy hanadino anao aho, na oviana na oviana,
Fa tiako ianao, tena tiako, tena tiako…


Malahelo anao aho…
Mahantra loatra aho ilaozanao…
Tomany lava sisa azo atao…
Maratra mafy izato foko…
Ranomaso sy toloko,
No hany namana antsoiko…
Resy aho…
Ampio aho hitraka…
Ampaherezo fa marary…
Ampionony fa mijaly…
…Efa resy aho…
…Manaiky aho fa resy…


Rediredin’olon-dresy…
Ranomason’olon-dresy…
Anaty alina mangina…
Mipitrapitra…tena sina…
Fa tsy tàna intsony ianao ry tiana…
Lasa ianao…nandao…tsy mety hiverina intsony !
Ary izaho…mba ho aiza hono ?

Eny e ! resy aho, solafaka…
Ranomaso sisa arotsaka…


Aza raràna ny foko raha tomany…
Fa tena mafy sy mangidy ito jaly…
Aleo aho hanaram-po…fa zoko,
Ny hitomany sy hitoloko…
Fa tsy ho ahy intsony ianao…
Veloma sisa azo atao…
…Any andro iray,
Aza adino ity « safidy »…
‘Zay misotro ny mangidy…
Ataovy « zoky sarobidy »…
…Fa resy aho…nandresy ianao !

...

Raha henonao aho fa marary,
Ka tafiditra hopitaly,
Dia tongava ihany…na dia izany !
Mba vangio ‘ty zokinao,
Fa mahantra…efa lao,
Tongava…na dia iray minitra monja,
Hijery ‘ty ratram-po voafonja…
…na dia iray minitra monja… !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137