ALEO AHO HIJINJA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao izay, tsy hita ho jinery,
Na dia mifanakaiky aza, dia mifanao fangala-piery
Noho ny hadalako miharo lakalakam-piainana.

Any ianao izay, mihafy sy miaritra :
Vono, latsa, eso…tsiny tsy voafaritra
Noho ny hetraketrako sy tsy fahampiam-pisainana.

Any ianao izay, migoka ny mangidy
Noho ny fitiavana ahy « safidy sarobidy » ;
Nefa izaho akory tsy mba azo nitarainana.

Ekeko ny hadisoako, k’aoka ho ahy ny tsiny.
Izaho no tena kentrina, nanao toetram-pivahiny.
Koa aza isaina intsony ho tompon’ny fonao ;
Koseho sy fafao…hanody ahy anie izay natao !

Vonona aho ny hizaka ny kapoky ny « Ambony »
Raha izay no hahatsara sy mety hampitony
Ny alahelo sy havinirana :
Satria sitrapo nanahirana !

Koa aleo aho hijinja izay nafafiko !

1999F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1100 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145