You are here: home > Vetso

ALEO AHO HIMPIRINA - fanasina7

Manahirana ahy ny hiaina eto an-tany
Raha tsy eo ianao.
Nefa mino aho izao fa tsy maintsy ho to izany…
Tsy maintsy hifandao.

Izaho no ratsy vintana :
« Tsaraina ho mpamitaka,
Tsy misy mpankasitraka ! »

Izaho no tsy mpivavaka :
« Manana toetra miavaka,
Mangarom-biby an-davaka ! »

Efa tsinjoko amin’izao
Fa na akory hatao…
Tsy maintsy hafoiko ianao.

Koa aleo aho himpirina,
Hihafy…tsy maninona
Raha izay no hahafaly
An’ireo izay mampijaly.
Raha izay no hahasambatra
An’ireo mpanakatsakana.

1999F7

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

lalaiina (24/01/2014 08:16:54)

Hita fa fitaka koh :p

fanasina7 (27/01/2014 12:17:53)

ataovy sérieux wa :) 1999 io

Hametraka hevitra

Midira aloha