You are here: home > Vetso

AZA ILAOZANA AHO - fanasina7

Malala a !

Ampianaro aho hatoky ny fitiavanao ahy.
Ampio aho mba hino f’ianao tsy ho sahy
Hanitsakitsaka ny foko sy ny fitia ‘zay natolotro
Na sanatria, sanatria, nanao fitia teo imolotra.

Fa tsoriko aminao f’amizao fotoana izao
Dia matahotra aho…ny hilaozanao.
Koa ampianaro aho, ampio aho, tolory hery,
Ampaherezo aho…fa raha tsy izany aho very.

- Aza ilaozana aho ! –

2002F7

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha