You are here: home > Vetso

DIMY TAONA - fanasina7

Tadidinao ve ?…dimy taona lasa izay,
Tantara tsy hay kosehina na anatinao na anatiko,
Nanomboha-niara-dia, k’izay vatsinao dia vatsiko !

Dimy taona aty aoriana, aiza ho aiza isika izao ?
Fitia mamatsy tena ve, sa fitia vatsian’olona ?
Fitia mitoetra tsara ve amin’ny ady sy ny tolona ?

Anontanio anie ny foko amizao dimy taona izao :
Ny vatsiko tsy lany, ampy hozaraina aminao,
Ny foko tsy mizara f’efa natokako ho anao,
Ny ampitsoko holaniako hiarahako aminao,
Ny foko sy ny saiko vonona satria tena tiako ianao.

2003F7

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha