DINA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hay kosehina ato anaty
Fa voasokitra sy mafy
Azo antoka tsy ho faty
Ny fitiavako anao

Fa fitia madio tsisy tasy
Tsy nahitako zava-dratsy
Na am-bava na an-taratasy
Ny fitiavanao ahy.

Ireny jaly sy tomany
Fihafihana sesilany
Latsa, eso,…mavàny
Tsy hohadinoiko izany.

Ampy hamehezako ny tenako
Hifehezako ny lelako
Hanitsiako izato làlako
Hanavaozako ny fiainako.

Ampy hanorenako ny dina
Fa ny foko tsy hangina
Hiolomay, hizara fifaliana
Isan’andro…ho andro zina.

Any ilay andro izay andrasako
Hivalian’ireo fivavako
Hakako anao rahavako
Ho Renin’ny taranako !

2000F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096