You are here: home > Vetso

FA TANTELIKO IANAO - fanasina7

Hosokafako hidàna ny varavaran’ity foko
Mba hidiram-pifaliana
Sy taratr’hazavana, tsy miova, tsy miofo
Dia ny fitiavanao ry Tiana.

Hofoanako ao ny lasa
Izay mety hikobona alahelo
Tamin’ny tantarantsika.
Horavàko koa ny latsa
Izay nampanelohelo
Noho ny zava-bita.
Fa mba fetinao androany
Ka tsy tokony hisy ny tomany,
Na amiko aty, na aminao any.

Fa tanteliko ianao,
Tsy mety ritra ato am-bavako
Ka ny teniko dia izao :
« Tsy miova tsiro ianao Rahavako ! »

1998F7

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha